Logo

WeBible

1 Samuel 11

11 / 31
1

Ary Nahasy Amonita niakatra ka nitoby tandrifin’ i Jabesi-gileada; dia hoy ny mponina rehetra tao Jabesy tamin’ i Nahasy: Manaova fanekena aminay, dia hanompo anao izahay.

2

Fa hoy Nahasy Amonita: Izao no hanaovako fanekena aminareo: hopotsirina ny masonareo ankavanana rehetra, ka hataoko fandatsana ny Isiraely rehetra izany.

3

Fa hoy ny loholon’ i Jabesy taminy: Omeo andro hafitoana izahay, mba hanirahanay olona ho any amin’ ny fari-tanin’ ny Isiraely rehetra, ka raha tàhiny tsy misy olona hamonjy anay, dia hivoaka hanatona anao izahay.

4

Dia tonga tany Gibean’ i Saoly ny iraka ka nanambara ny teniny teo anatrehan’ ny vahoaka; dia nanandratra ny feony ny vahoaka rehetra ka nitomany.

5

Ary, indro, Saoly tonga nandroaka ny omby avy tany an-tsaha ka nanao hoe: Inona izato nanjo ny olona, no mitomany izy? Ary nambarany azy ny tenin’ ny mponina tao Jabesy.

6

Dia nilatsaka tamin’ i Saoly ny Fanahin’ Andriamanitra, ka nirehitra mafy ny fahatezeran’ i Saoly, raha nandre izany teny izany.

7

Dia naka omby roa izy, ka norasainy ireo, dia nampitondrainy ny iraka ho any amin’ ny fari-tanin’ ny Isiraely rehetra ka nataony hoe: Na iza na iza tsy mivoaka hanaraka an’ i Saoly sy Samoela, dia tahaka ireny no hanaovana ny ombiny. Dia nahazo ny olona ny fahatahorana an’ i Jehovah, ka nivoaka toy ny olona iray ihany izy.

8

Ary nandamina azy tany Bezeka izy, dia telo hetsy no isan’ ny Zanak’ Isiraely, ary telo alina no isan’ ny lehilahy amin’ ny Joda.

9

Ary hoy izy tamin’ ny iraka izay tonga teo: Izao no holazainareo amin’ ny mponina ao Jabesi-gileada: Rahampitso ilay efa mafampana iny dia hisy famonjena ho anareo. Dia tonga ny iraka ka nanambara izany tamin’ ny mponina tao Jabesy; ka dia faly ireo.

10

Ary hoy ny mponina tao Jabesy: Rahampitso no hivoahanay ho eny aminareo, dia hataonareo aminay izay rehetra sitrakareo.

11

Ary nony maraina, dia nozarain’ i Saoly ho telo toko ny olona, ka tonga teo amin’ ny toby tamin’ ny fiambenana maraina izy ary namely ny Amonita mandra-pahafampanan’ ny andro; koa izay sisa dia niely patrana, ka tsy nisy olona tafaraka na dia hatramin’ ny roa aza.

12

Ary hoy ny vahoaka tamin’ i Samoela: Iza moa no nanao hoe: Saoly va no hanjaka aminay? Atolory ireny olona ireny hataonay maty.

13

Fa hoy Saoly: Tsy hisy olona hatao maty anio; fa androany no nanaovan’ i Jehovah famonjena teo amin’ ny Isiraely.

14

Ary hoy Samoela tamin’ ny vahoaka: Andeha isika hankany Gilgala hanavao ny fanjakana any.

15

Dia lasa ny vahoaka nankany Gilgala; ary tany Gilgala no nananganany an’ i Saoly ho mpanjaka teo anatrehan’ i Jehovah; ary tany no nanaterany fanati-pihavanana teo anatrehan’ i Jehovah, dia nifaly indrindra teo Saoly mbamin’ ny lehilahy rehetra amin’ ny Isiraely.

1 Samuel 11